Jeso Kristy Tomponay, Zanaka malalan-dRay, No naetry ho anay; Mamonje anay anie. He! ny fahatsoranao Sy ny hadiovanao Tsy mpanota Hianao; Mamonje anay anie. Hianao no marina, Mora fo sy masina, Ary tsy mialona; Mamonje anay anie. Tsy niala sasatra, Tsy nandà ny sarotra, Fa nitondra henatra. Mamonje anay anie. Heloka, tsy rariny; Hianao najaliny Tao an-tampon'i Kalvary; Mamonje anay anie. Lasanao ny helokay Raha mibebaka izahay Tsy manao ny sitrakay Mamonje anay anie. He! ny fitsangananao, Resy ny fahavalonao Tamim-boninahitrao, Mamonje anay anie. Hianao, ry jeso ô! Anateranay izao Saotra izay anjaranao; Mamonje anay anie. Fo, fanahy, tena koa, Ho anao mba hahasoa Izay rehetra tia tokoa; Mamonje anay anie.Müthişsin Rab Раб Иса'м Куртаръджъм ВЪЗКАЧИ СЕ НА ПРЕСТОЛА yswʿ fy wsṭnạ 主啊我把我的家交给你 الصلاة الربانية yạ ḥyạẗ ạlmsyḥyẗ Cantaré de Jesucristo Insieme Il seminatore
Song not available - connect to internet to try again?