Jeso Kristy Tomponay, Zanaka malalan-dRay, No naetry ho anay; Mamonje anay anie. He! ny fahatsoranao Sy ny hadiovanao Tsy mpanota Hianao; Mamonje anay anie. Hianao no marina, Mora fo sy masina, Ary tsy mialona; Mamonje anay anie. Tsy niala sasatra, Tsy nandà ny sarotra, Fa nitondra henatra. Mamonje anay anie. Heloka, tsy rariny; Hianao najaliny Tao an-tampon'i Kalvary; Mamonje anay anie. Lasanao ny helokay Raha mibebaka izahay Tsy manao ny sitrakay Mamonje anay anie. He! ny fitsangananao, Resy ny fahavalonao Tamim-boninahitrao, Mamonje anay anie. Hianao, ry jeso ô! Anateranay izao Saotra izay anjaranao; Mamonje anay anie. Fo, fanahy, tena koa, Ho anao mba hahasoa Izay rehetra tia tokoa; Mamonje anay anie.Rataceam in intuneric Jesucristo es tan grande lnạ fy klạm ạlạ̹lh ạlṣmd Гој бүтүн инсанлар севинсинлəр бизимлə бирҝə Ježiš Kristus, môj spasiteľ We will crown you Doimo men ishonaman Baránok Boží Бог ни вложи нова песен يسوع ملك الملوك
Song not available - connect to internet to try again?