Jesosy Mpamonjy, Ilay Tompon'ny aina, no hita Nidina teto an-tany hamonjy antsika : O, mba derao ! Izy Mpanavotra anao, Ka mifalia, ry mino ! Indro ny tenin'anjely milaza ny soa ! Teraka Jeso Mpamonjy antsika tokoa : O, mba derao ! Tonga ny andro vaovao, Andron'ny Filazantsara. Dia iventesonao hira vaovao re, izany ! Tonga Jesosy hamonjy izay mitomany : O, mba derao ! Afaka isika izao ! Izy Mpisolo antsika ! Tonga ny Tompon'ny tompo hisolo ny ory, Ka mifohaza, ry olona mbola matory : O, mba derao ! Amin'ny feo vaovao, Jeso, izay Tompo mahery !Panie sławię Imię Twe Tuhan, karyaMu Sungguh Besar sẖạʿr ạ̉nt ạ̉brʿ jmạl O noapte preasfinţită يسوع أنت هنا كانت السما nǐ wǒ tóng xíng جاشاپ ۅتكۉن ىز قالعىداي ارتىڭدا Мы мало хвалимся крестом
Song not available - connect to internet to try again?