Jeso Mpamonjy, Mpiandry tokoa Ampivereno hanaraka Anao ; Ondry mania, manary ny soa, Aza avela hiala aminao. Taomin'ny ratsy, fitahin-tSatana, Mila ho lasan-ko babo izahay, Fa Hianao no mahery mitana Tsy hahavery ny ondry iray. Varivariana, salasalaina, Be ahiahy, jereo izahay ; Ampianaro ny tsy hary saina, Ampitsaharo ny fanianay. Aina nomenao hisolo ny very, Ary ny ranao nanvotra anay, Fa Hianao no nitondra irery Fampijalian-kanitsy anay. Fa ny fiainan-tsi-hita resenao Velona mandrakizay Hianao ; Dia fiainana an-danitra omenao Izay ondry mety manaraka Anao.Издегиле Асман Падышалыгын Гьоркемле Егеменсин علشان باحبك Ей Аллахъм, гьоремедим сени لماذا ضربتنا Fu così Jezusa krew, ten święty zdrój The Power of Your Love Tu Bikevî Tengasiyê Ente Azîmün
Song not available - connect to internet to try again?