Jeso, Mpanjaka Malaza, No Tompo Mpanjakanay ; Mahery sy tsara indrindra, Ka Izy no Aronay. Mendrika hankalazaina Noho ny heriny ; Eran-tany sy lanitra koa Ny zo aman-dazany : Ry Tompo, Mpanjaka Mahery ô ! Mihainoa ! Avy manaiky tokoa izahay Fa Tompon'ny hery rehetra Hianao, Tsy misy mihitsy ny toa Anao Tsy tratry ny saina ny herinao Ny fiderana izay entinay, Raiso re ! Raiso re ! Ny haja atolotra Anao etý. Raiso izao ! Tompo, Mpandahatra hendry, Mpanao izao rehetra izao, Ny zara sy tendry ataony Dia tsara sy mahasoa ; Mendrika ny hoderaina Ny fandaharany ; Atolory ho Azy ny saotra, Fa Izy tandrifin'io : Ry Tompo, Mpanjaka ..sns. Tompo, Mpanjaka Tsitoha, Kanefa be indrafo ; Deraina eram-po eran-tsaina, Deraina mandrakizay ; He ! ny mpanompo voavonjy, Samy mihoby hoe : " Haleloia, ho amin'ny Avo, Fa Jeso no Tomponay ! " Ry Tompo, Mpanjaka ..sns.О, Спасе драгоценни Ty napĺňaš chválou naše ústa Znáš to more milovania Христос е достатъчен Энэ бол тоглолт биш ạ̹nt kẖlạṣy قىمباتتى دوس، ايالداشى، تىڭداشى యేసయ్యా నీ నామ గానం Не отделить меня, даже если скроюсь я Od Beránkova trůnu
Song not available - connect to internet to try again?