Jeso Mpanjaka tokana Na aiza misy olona : Ny fanjakany hanerana Ny tany sy ny lanitra. Vavaka sy fisaorana Hakarin'ny navotana ; Haharitra tsy tapitra Hanolo-boninahitra. Ny firenen-drehetra anie Hidera ny fitiavam-be ; Ny zaza aza hanatitra Ny hajam-boninahitra. Ny tany izay alehany Dia feno fitahiany ; Ny voagadra afaka, Miadana ny reraka. Izao rehetra izao anie, Hanatitra fisaoram-be Ho an'ny Tompo tokana, Izay Mpanjakan-danitra.njtẖw lk yạ rbnạ yạlly mt bdạly خطة من أجلي Cristo io credo in te شكرًا يا مريم ۅمۉردۉن تاڭىندا جاقشى ۉرۅن سەپكىن Dukan Aiki Mu Ke Yi ạ̉nạ sạkn Jewish medley yạ qạrb ʿạly
Song not available - connect to internet to try again?