Jeso no sakaiza tena tia anay, Izy ta-hamonjy olombelona ; Aoka ho tiantsika ny Mpanavotra, Fa Izy no Sakaiza mahateho tia. Jeso no Sakaiza ifaliana, Izy nahafoy ny voninahitra, Mba hananantsika fanavotana Sy handraisantsika ny fiainana. Jeso no Sakaiza itokiana, Izy mahavaly sy mahanatra ; Aoka hinoantsika ny Mpanavotra, Hahazoantsika fiadanana. Jeso no Sakaiza ivavahana, Izy mahavonjy ny Mpangataka ; Aoka hinoantsika ny Mpanavotra, Mba handraisantsika fanampiana. Jeso no sakaiza fiarovana, Izy maharesy ny mpanohitra ; Iza no hanimba izay arovany ? Aoka hisaorantsika ny Mpanavotra. Jeso ô, Sakaiza ! raisonao izao Ny fisaoran-tsara izay atolotray ; Izahay mpanota te-hidera Anao, Raiso re ny dera izay aterinay.ملك الملوك رب الأرباب lwlạ yạrb mạ ạ̹nt mʿạnạ Wznieście Bogu chwały pienia lạ ymkn ynsạnạ fạdynạ kyf tskt ʿn sẖʿbk Услышь Господь моё молены 我要歌颂我要赞美 ạ̉nạ lyk Who Am I? تەك سەنىمەن بولعىم كەلەدى
Song not available - connect to internet to try again?