Jeso no tsy miova,
Na omaly na anio,
Eny, ho mandrakizay ('Lay)
Vatolampy tsy mikoro.
Vato fanorena-mafy,
Azo itokiana tokoa,
Raha hanorenana,
Ny fiainana (mahasambatra),
Mandrakizay.
'Zaho izay novonjeny,
Mety hangovitra ihany,
Eo ambony vatolampy (fa)
Izy tsy miova akory.
Jeso ô! ampianaro,
Aho ho tahaka Anao izao,
Ka ny fiainako,
Jeso Tompo ô ! (Mba ho entiko)
Hiderana Anao. В винограднике Христа ạ̹kẖtbạr sẖkẖṣy Uno in più Ya Tuhan, Tiap Jam zhǔ a qiú nǐ kàn wǒ yī yǎn Ким күнөөмдү жууй алат? All'angolo di un bar La terre entière Inigualable C'est ton sang Song not available - connect to internet to try again?