Jeso ! ny hamarinanao No lamba hitafianay, Amin'ny andro farany, Izany hifalianay. Raha hitsangana izahay Handray ny lova aminao, Dia tsy ho resy lahatra, Fa Kristy no Mpanavotra. Io lamba io no mbola vao, Na levona izao tany izao, Haharitra tsy rovitra, Havaozin'Andriamanitra. Ny hery sy ny antranao Toroy izao tontolo izao ; Ampandrosoy ny teninao, Ampanekeo ny rafinao. Ny maty hahare ny feo Hiantso azy ho velona ; Jeso ! ny hamarinanao No lamba hitafianay.Home ขอให้คำจากปากของข้า ạ̉nqdẖtny kẖlṣtny NI A CEUNAK KHATTELEI AH سوف أدخل أبوابك sbḥwạ ạlrb Yeşua Вер, Аллахъм, иман, дурайъм йълларънджа Бог мир так возлюбил Send Revival
Song not available - connect to internet to try again?