Jeso ô, Mpiandry tsara ! Sambatra ny ondrinao, Hianao no mialoha Hanarahanay Anao ; // Mitariha, mitariha Ny fanahinay izao // Jeso ô, Mpiandry tsara ! Fohy ny fisainanay ; Hianao mahay manoro Lalana halehanay : // Mitariha, mitariha Ny fanahinay izao // Jeso ô, Mpiandry tsara ! Tsinjonao ny dianay ; Ondry very ka ho faty Raha tsy hatoninao ; // Mitariha, mitariha Ny fanahinay izao // Jeso ô, Mpiandry tsara ! Izao alehanay izao Ala be sy làla-mafy, Maty re ny ondrinao ; // Miarova, miarova Ny fanahinay izao // Jeso ô, Mpiandry tsara ! Mafy re ny tahotray ; Bibidia mamiravira Mampivadi-po anay : // Miarova, miarova Ny fanahinay izao // Jeso ô, Mpiandry tsara ! Ento mody izahay ; Aminao ny valan'ondry Tsy mba misy tahotra, // Mitariha, mitariha Ny fanahinay izao //yswʿ qạm ḥwl ạlẓlạm Xudosiz boʻlsang (anʼanaviy) ᠣᠳᠣ ᠴᠤ ᠦᠷᠭᠦᠯᠵᠢ ᠮᠥᠩᠬᠡᠳ Con te ลูกรักในที่พระองค์สถิต ในอ้อมแขนพระองค์ Un medic bun noi toti avem O smutny, bolesny to stan Доверчиво к Христу прильнул Tutta la mia adorazione
Song not available - connect to internet to try again?