Jeso Sakaizanay, Jeso anay ; Sady tsy mahafoy, Jeso anay ; Raha ny olona Mety mandao anay, Jeso no tsy mandao, Jeso anay Jeso Sakaizanay, Jeso anay ; Izy no Avotray, Jeso anay ; Maty ny Tomponay Noho ny helokay ; Afaka izahay, Jeso anay. Jeso Sakaizanay, Jeso anay ; Izy no aronay, Jeso anay ; Reraka izahay Noho ny adinay, Jeso no herinay, Jeso anay. Jeso Sakaizanay, Jeso anay ; Izy no lalanay, Jeso anay ; Lalana marina Hahatongavanay Any an-danitra, Jeso anay. Jeso Sakaizanay, Jeso anay ; Manana izahay, Jeso anay ; Jeso Sakaizanay No hovantaninay Any an-danitra, Jeso anay.Дэлхий даяар Stotisíc ráz ťa tu pozdravujeme, nebeská Kráľovná, Patrónka zeme أنت تهتم بي ysẖbh mlkwt ạlsmạwạt Обида Умидимсан zrʿt bqlby nbtẗ ḥb İsa, Sen Kurtarıcımsın Un poco más, Jesús vendrá Дружной семьёй мы в ладье сидим
Song not available - connect to internet to try again?