Jesosy Kapiteninay Izao miantso izao, Hiady no ilana anay Ka zovy no hanao ? Izay mahafy hatratý, Mahery fo tokoa Ka tsy miraika hatrarý ; Ireny no hanao. Ny tany hotafihinay, Izao tontolo izao ; Ny tafika hikatrohanay, Tsy ady mora atao ; Ny ota hotoherinay Ho rava sy hikoa. Ny tany hitorianay Ny herinao tsy toha. Indreo, ny maritiora soa No loha-lalanay, Nalatsaka aina avokoa, Ka marika aminay ; Fandavan-tena lehibe No vitan'izy ireo Hodian-tsy hita foana ve Ireo maritiora ireo ? Ry Jeso Kapiteninay ! Izao anio izao, No anavaozanay indray Ny fanompoana Anao ; Atolotray Anao tokoa Izao tenanay izao, Ka hamasino avokoa Hanao ny sitrakao.Գետերիդ Ծարավ եմ يا سامع الصلاة All Bow Down yjrḥ yʿṣb Ty máš meno ạ̹n jzt fy wsṭ ẓl ạlmwt Mi-ai fost totdeauna aproape lw tʿwd lw tḥṭm ạlsdwd yswʿ fy wsṭnạ عارفين اللي عمل شمس
Song not available - connect to internet to try again?