Jesosy Kapiteninay Izao miantso izao, Hiady no ilana anay Ka zovy no hanao ? Izay mahafy hatratý, Mahery fo tokoa Ka tsy miraika hatrarý ; Ireny no hanao. Ny tany hotafihinay, Izao tontolo izao ; Ny tafika hikatrohanay, Tsy ady mora atao ; Ny ota hotoherinay Ho rava sy hikoa. Ny tany hitorianay Ny herinao tsy toha. Indreo, ny maritiora soa No loha-lalanay, Nalatsaka aina avokoa, Ka marika aminay ; Fandavan-tena lehibe No vitan'izy ireo Hodian-tsy hita foana ve Ireo maritiora ireo ? Ry Jeso Kapiteninay ! Izao anio izao, No anavaozanay indray Ny fanompoana Anao ; Atolotray Anao tokoa Izao tenanay izao, Ka hamasino avokoa Hanao ny sitrakao.Safe Мы хвалу воскликнем громко Nie ma za trudnych spraw Pe acest pamant de viaţă tulburată في نهاية الحكاية Господь послал нам Иисуса ఆలయంలో ప్రవేశించండి అందరు Косари на лугу размахались острыми косами Велика Твоя милость Vater deine Liebe ist so unbegreiflich Groß
Song not available - connect to internet to try again?