Jesosy Kristy Tompo ô ! Hianao no antenaiko ; Tsy misy Mpamonjy toa Anao, Ry Heriko sy Aiko, Fa tsy mba misy olona Mahafaka ny heloko ; Tsy zakakao ny entako, Ry Jeso ô ! Hianao anefa tokiko. Ny otako dia lehibe, Ny foko dia ory ! Mpamonjy ô, vonjeo re ! Ny heloko esory, Ny Rainao tsara ilazao, Fa izaho no navotanao, Ka mba havela heloka, Dia azoko Ny fiadanana ao am-po. Finoa-marina ao am-po No aoka mba homenao, Mba hanandramako tokoa Ny tsirom-pamonjenao, Mba hitiavako Anao Sy ireo rahalahinao ; Raha avy ny fotoako, O, mba vonjeo ! Ka mba reseo ny rafiko. Ny saotra, dera, ho Anao, Ry Raiko be fiantra, Sy ho Anao, ry Kristy ô, Mpamonjy ny mahantra, Anao, Fanahy Masina ! Izay tena Mpampionona ! Izaho mba omeonao Ny aim-baovao, Haharitra ho olonao.طلبي الوحيد Oldingda tiz choʻkaman Море шумит буря ревёт Jésus est notre ami suprême Haleluya Tuhan Mahamulia Пазеха овчари tsẖtạq nfsy Duǵam Saǵan Жалғыз Сен менің үміт артарымсың سۆيىمەن سېنى
Song not available - connect to internet to try again?