Jesosy no asandratro, Fa Izy no Mpanavotro, Ny tanany nanafaka Ny aiko tao an-davaka ; Ny rafiko ho ketraka, Izaho afa-kenatra, Fa manana ny Tompoko, Izay mandako sy aroko : Ry foko ô ! ankalazao Jesosy, Izay Mpamonjinao. Ny tsiron'ny fiainana Andramako sahady re, Fa efa mby an-tanana Ny famonjena lehibe ; Ny ranon'aina azoko, Ny mofon'aina haniko, Sakafo mahatanjaka, Mamelona ny reraka ; : Ry foko ô ! ..sns. Ny rany no anjarako, Ny ainy no fananako ; Ny lanitra ho lovako, Ny tany dia hilaozako Ny ota tsy hanaraka Ny ady dia hitsahatra Ny aloka ho tapitra, Fa ao no tena zavatra ; Ry foko ô ! ..sns. Ny hanitry ny lanitra Mamerovero fatratra ; Ny hiran'ny voavotra Manatsika ahy hiakatra Ny tavan'ny Mpamonjiko No tsijon'ny fanahiko, Ny tavany manafaka Ny aizina ao anatiko ; Ry foko ô ! ..sns. Ny masoko mibanjina Tahaka ny mpiambina, Maniry ny Mpamonjiko Ho tafahaona amiko, Izaho hovimbininy Hipetraka ao anilany, Hanao ny hiran-danitra Sy honina finaritra : Ry foko ô ! ..sns.ربي إداني سلطان كُل ما فِىَّ يبارِك إسمُه ส่งการฟื้นฟูลงมา RO SUNG KA NGEI zhǔ de líng zài yī cì bǎ wǒ huàn xǐng Šťastie mạ ạ̉bhạk mạ ạ̉bhạk يا إلهي عيوني عليك Môj Boh Tinerii lui Isus veniţi dar
Song not available - connect to internet to try again?