Jesosy ô, Hianao no faleha ! Mba hankanesana amin'ny Ray, Ka mitariha anay mba handeha Amin'ny làlana marina indray. Fa Hianao no Mpamonjy voatendry, Zanaka mandrakizay Hianao ; Ka Hianao no Mpitarika hendry, Lalana amin'ny Ray Hianao. Diso ny tsara, ka dia nizotra Tamin'ny lalana ratsy izahay ; Koa mamerena anay mba hizotra Amin'ny lalana tsara indray. Fa Hianao no mitondra ho any Amin'ny lanitra fonenanao ; Ary tsy misy mahazo mankany Afa-tsy amin'ny alalanao. Maro ny zavatra izay mampahory, Fa Hianao no Mpiaro anay ; Aoka izahay tsy ho reraka Akory, Ry Mpanalalana amin'ny Ray !Как же Ты велик There is a green hill ఉన్నావు దేవా యుగయుగములు THE MASTER'S CALL เราจะร้องเพลงสาธุการ Môj smútok si obrátil na tanec ومىرىمە سەن قاجەتسىن ٴتاڭىر ٴار كۇندە Ty si si ma vyvolil Крылья Любви نلت الحياة الأبدية
Song not available - connect to internet to try again?