Jesosy ô ! mba hasoavinao Ny asanay, izay atombokay Amin'ny Anaranao ; Ka mba ombay, Sy tahio, Tompo ô ! Izao atao izao Dia tena sitrakao Ka ho tanterahinay, Mba ho fifalianay Sy ho voninahitrao. Jesosy ô ! derainay Hianao, Fa feno famonjena olona Ny Anara-masinao ! Ny herinao manome aim-baovao. Ny teny masinao Dia iankinanay Ka Hianao isaoranay Sy ankasitrahanay Eto sy rahatrizay. Jesosy ô ! ny fanorenana Iainanay sy hahafatesanay Dia ny Anaranao, fa Izy no Manome toky be, Ka hitsangananay Ho velona indray ; Dia mba horaisinao Izahay navotanao Amin'ny Anaranao.wqt ạlmḥn mạlqạsẖ ạ̉ḥn لما بالاقي يا عالم الأحوال 할렐루야 주가 다스리네 REJOICE, EMMANUEL IS IN OUR MIDST Uniti insieme Cennete Gidecem يسوع ربي أحب الخطاة Чудната мелодия J'ai confiance en mon Seigneur
Song not available - connect to internet to try again?