Tsy misy reharehako Afa-tsy Ianao, Jesosy ô ! Anao ny hery, Anao ny haja Sy Voninahitra Ny fasana sy ny fiainan-tsy hita Indro efa resinao Izao tontolo izao dia nahita Fa efa nitsangana Ianao Sambatra aho, Jeso ô, Manana Anao izay Tompon'ny hery. Sambatra aho, Jeso ô, Miankina eo an-tratranao Ampy ahy ny Fitiavanao Ampy ahy ny finoako Anao. Raketiko ao am-po lalandava Fa reharehako Ianao Nasehonao ilay fahefana Manda sy aroko, Ka niala maina teo ilay satana Izay fahavaloko Tsy misy maharombaka akory Izay eo an-tananao Izany indrindra no ilazako Fa reharehako Ianao Tsy nisy nahitam-pamonjena Afa-tsy taminao. Nanaiky Ianao, tsy mba noterena Hitondra aina vao. Ny tananao mahery natsotranao Mba hitantana Hahaizako mandeha sy mizotra Ny làla-marinao.Ulugʻvor va loyiqsan Худо ота Owiec zgubionych Pasterz wciąż szuka فرح .. فرح .. فرح لكل الأرض - عيد الميلاد 2010 Бидний Бурханыг хар - Perder los bienes Amen The rock of my salvation Փափագում եմ Քեզ Հիսուս С самого восхода
Song not available - connect to internet to try again?