Tsy misy reharehako Afa-tsy Ianao, Jesosy ô ! Anao ny hery, Anao ny haja Sy Voninahitra Ny fasana sy ny fiainan-tsy hita Indro efa resinao Izao tontolo izao dia nahita Fa efa nitsangana Ianao Sambatra aho, Jeso ô, Manana Anao izay Tompon'ny hery. Sambatra aho, Jeso ô, Miankina eo an-tratranao Ampy ahy ny Fitiavanao Ampy ahy ny finoako Anao. Raketiko ao am-po lalandava Fa reharehako Ianao Nasehonao ilay fahefana Manda sy aroko, Ka niala maina teo ilay satana Izay fahavaloko Tsy misy maharombaka akory Izay eo an-tananao Izany indrindra no ilazako Fa reharehako Ianao Tsy nisy nahitam-pamonjena Afa-tsy taminao. Nanaiky Ianao, tsy mba noterena Hitondra aina vao. Ny tananao mahery natsotranao Mba hitantana Hahaizako mandeha sy mizotra Ny làla-marinao.ข้ารักพระองค์ด้วยสิ้นสุดดวงใจ Szerelmedre vágyom én ٴومىر بەردىڭ ٴۇمىتتى جالعادىڭ Эзний алдрыг магтан дуул Ҷалол бар номат Dari V Track 03 Celeste Годы юности летят Aria lmạ ʿynh ạ̹jt bʿyny
Song not available - connect to internet to try again?