Lasa re ilay nazoto, Nody ao an-tany soa, Izay nanompo tamin-joto Ka nahefa be tokoa, // Indro, faly // Fa mijinja voka-tsoa. Lasa nody fa voantso : "Miakara", hoy ny Ray, Ka fafao ny ranomaso, Jeso Tompo no mandray. // Faly, ravo // Fa tafakatra ao tokoa. Lasa re ilay nihafy Ory tena, be nanjo, Fa nanohitra ady mafy, Nefa mba nahery fo. // Ka nandresy // Fahavalo maro be. Afaka ady ka mifaly, Fa tsenaina hatratý ; Afaka ota, afa-jaly, Ka mihoby hatrarý. // Hoy ny Tompo // "Mandrosoa, ka mifalia".THANGTHAT U! THANGTHAT U! Noi ti ringraziamo Dio أم هَوجَدار اْن هَزكْرْنا تَه Bendito Ето горе, пред престола EL ES MI PAZ Al borde de tu gran trono CHRISTIAN WALK CAREFULLY! Emanuel ده جميلك على راسي
Song not available - connect to internet to try again?