'Lay fonao tia tao Gologota No velona ao an-tsaiko izao. Ny fonao 'zay mitady mpanota, No voaratra indrindra tao. Ry fo malala, nihafy loatra, Lavitra ny mpangoraka Anao. Indro ny lefona koa mamely Ka notrobarana Hianao! He ! malahelo ireo anjely, Fa naharary re ny fonao ! Io no fitia tsy misy toa azy, Zaran'izao rehetra izao. Efa hisoka ny antoandro, Menatra izao tontolo izao ; Tsy ela intsony dia maizina andro Kalvary 'zay nihantonanao ! Fa izaho tsy mba hangataka andro Hampiantrano ny tenanao. Tsy sasatra na valaka koa, Ny fonao tia, ry Tompo ô ; Menatra izao ity foko tsy soa. Tsy hahavaly tokoa Anao ; Nefa ampio aho hanaiky, Hanatontosa 'zay sitrakao.Ты всё моё желание يا لسر فائق Ježiš, život môj Իմ ժողովուրդը,եթե نعلن دايمأ غالبين bṣ llsmạ Pujilah سد يا يسوع فى حياتى qlt stạ̉ty ʿn qryb مين قدنا
Song not available - connect to internet to try again?