'Lay fonao tia tao Gologota No velona ao an-tsaiko izao. Ny fonao 'zay mitady mpanota, No voaratra indrindra tao. Ry fo malala, nihafy loatra, Lavitra ny mpangoraka Anao. Indro ny lefona koa mamely Ka notrobarana Hianao! He ! malahelo ireo anjely, Fa naharary re ny fonao ! Io no fitia tsy misy toa azy, Zaran'izao rehetra izao. Efa hisoka ny antoandro, Menatra izao tontolo izao ; Tsy ela intsony dia maizina andro Kalvary 'zay nihantonanao ! Fa izaho tsy mba hangataka andro Hampiantrano ny tenanao. Tsy sasatra na valaka koa, Ny fonao tia, ry Tompo ô ; Menatra izao ity foko tsy soa. Tsy hahavaly tokoa Anao ; Nefa ampio aho hanaiky, Hanatontosa 'zay sitrakao.Viera je ustavičný zápas How Many Kings Vyvyšuji Tebe, Pane Cordero inmaculado ạ̹zạy mạrnmsẖy Исои хуб хоҳад омад Я слыхал Ти Си достоен Господи 주님을 무엇보다 더 사랑해 Len Tebe srdce dávam
Song not available - connect to internet to try again?