Ilay ora tao Getsemane Tsy mba hadino re, Raha Hianao no tsembo-dra, Ry Tompon'avotra // Tsahiviko // Ny fahorianao, Raha tsinjoko ny ady be, Ilay tao Getsemane. Nafoin-dRay irery tao, Nilaozan-kavanao Handraisana anay indray Ho zanaky ny Ray. // Tsahiviko ..sns // Nandroso mba hijaly tao, Ry Tompo, Hianao ; Fadiranovana sy may Hanavotra anay. // Tsahiviko ..sns // Fa vinitra Jehovah Ray Noho ny ditranay ; Ninianay nolavina Ny didy masina. // Tsahiviko ..sns // Ka Hianao nasiana Ho solo-voina ; Ny dinitrao, ry Tomponay, Dia valin'otanay. // Tsahiviko ..sns // Fa sitrakao ho afaka Ny olo-meloka; Endrey ny fitiavanao Anay navotanao ! // Tsahiviko ..sns // Raha mila hangatsia-po Izaho, Tompo ô, Mba ampisaino aho re Ny tao Getsemane ! // Tsahiviko ..sns //Nauč mě víc k tanci svobodu mít Дорога туда где не был Pi̱ki ma Pi̱ki ma! 10 Track 10 Бу гедже, Аллахъм لو ساكن جواك الحب Wszyscy chwalmy hạsẖkr rby fy ṣḥrạ ḥyạty ИЗДИГАЙ ГО Akory ny hamaroan'ny asanao
Song not available - connect to internet to try again?