Ilay ora tao Getsemane Tsy mba hadino re, Raha Hianao no tsembo-dra, Ry Tompon'avotra // Tsahiviko // Ny fahorianao, Raha tsinjoko ny ady be, Ilay tao Getsemane. Nafoin-dRay irery tao, Nilaozan-kavanao Handraisana anay indray Ho zanaky ny Ray. // Tsahiviko ..sns // Nandroso mba hijaly tao, Ry Tompo, Hianao ; Fadiranovana sy may Hanavotra anay. // Tsahiviko ..sns // Fa vinitra Jehovah Ray Noho ny ditranay ; Ninianay nolavina Ny didy masina. // Tsahiviko ..sns // Ka Hianao nasiana Ho solo-voina ; Ny dinitrao, ry Tomponay, Dia valin'otanay. // Tsahiviko ..sns // Fa sitrakao ho afaka Ny olo-meloka; Endrey ny fitiavanao Anay navotanao ! // Tsahiviko ..sns // Raha mila hangatsia-po Izaho, Tompo ô, Mba ampisaino aho re Ny tao Getsemane ! // Tsahiviko ..sns //Растревожился дух взволновалась душа Сьозюню Динлер, Уйгуламазса Sevgin, Kar Gibi Pak Kılar მხოლოდ შენში يا يسوع مجدك Сайн найз İsa Adı Sönmez Asla Ний ще литнем зад звездите Сени Йаратанъ Анъмса Den sobotní
Song not available - connect to internet to try again?