Lohasahan-dranomaso Izao fiainantsika izao, Ka misento lalandava Izay rehetra velona ao ; Koa aiza re no misy Hampionona ny fo ? Iza no mahay mamonjy Hampisava ny manjo ? Manatòna ilay Mpamonjy, Ry sakaiza ory ô ! Ka aza mba misalasala, Mandrosoa hianao ; Famonjena mahatoky Tsy miova no anao, Raha manana an'i Kristy Ho fanala-tahotrao. Vola sy harena an-tany Mety tsy hanananao ; Havana, sakaiza koa Dia hisaraka aminao ; Nefa Jeso no anjara Tsy alaina aminao ; Izy no sakaiza tsara Izay nanavotra aina anao.dqldyạnws Este oare iertare Peleleza Ndani Yangu سرور ما Pod krížom môjho Pána Io loderò il tuo nome Ravenshaw Olyan szép Cu tot întregul meu amar Jesus, herrlicher Name
Song not available - connect to internet to try again?