Lohasahan-dranomaso Izao fiainantsika izao, Ka misento lalandava Izay rehetra velona ao ; Koa aiza re no misy Hampionona ny fo ? Iza no mahay mamonjy Hampisava ny manjo ? Manatòna ilay Mpamonjy, Ry sakaiza ory ô ! Ka aza mba misalasala, Mandrosoa hianao ; Famonjena mahatoky Tsy miova no anao, Raha manana an'i Kristy Ho fanala-tahotrao. Vola sy harena an-tany Mety tsy hanananao ; Havana, sakaiza koa Dia hisaraka aminao ; Nefa Jeso no anjara Tsy alaina aminao ; Izy no sakaiza tsara Izay nanavotra aina anao.ఆకాశ వాసులారా Godzien, o godzien jest Bóg Яг энд Entie Hukdampa chuh Nereye, nereye vurayım Otam Oʻgli Boʻlsin Deb يسا ۔ ٴتاڭىر Rab Sevginin Işığı Parlıyor Ти каза "Да" Pada Malam Sunyi Di Getsemani
Song not available - connect to internet to try again?