Mahery Hianao, Jehovah Tompo ô ! Mombà anay mpanomponao, Ka miarova anay. Mpanjaka Hianao, Ry Zanahary ô ! Avia, anjakao izao Ny ao anatinay. Miaro Hianao, Andriamanitra ô ! Hidera sy hisaotra Anao No iangonanay. Miantra Hianao, Ry Tompo tia ô ! Tongava aminay izao Mba hifalianay. Ny fanomezan-tsoa Izay maminay tokoa Dia Jeso 'lay malalanao Nafoy ho avotray. Mba raisonao, ry Ray ! Ny saotra entinay, Ny dera, laza, hery koa Anao Mpanjaka soa.sạ̉lwdẖ bḥḍnk ạlnạs btḥb ạlnạs lm sẖʿb ạlmsyḥ Nadie como Tu Жүрек қалай шаттанып толқымайды?! أنا ولعان فيك Des projets pour toi Bethlehem Ephratha Kadosh Забури Довуд Таронаи 99
Song not available - connect to internet to try again?