Maizina ny firenena, Koa diso lalana, Tsy mahita famonjena, Tia zava-poana ; Endrey, ny haverezan-tsainy Lany foana ny ainy. Lehibe ny aizin'ota, Takona ny lalana, Handosiran'ny mpanota, Ny fahaverezana ; Indrisy, very re ny aina ! Injay ny feo mitaraina ! Mitsangàna izao, ry mino, Mandehàna faingana, Ento aminy ny jiro, Atoroy ny lalana ; Hianao va tsy onena Ny tsy manam-pamonjena ? Dia ento ny mazava Izay naseho taminao ; Mazotoa hampisava, Izany aizim-pito ao, Ka ny namanao mahantra Itorio ny Mpiantra. Eny, tsara sy mahery Ny Filazantsara re ! Afaka ny olom-bery, Sambatra ny mahare ; Ka mitandrina tokoa ! Izany teny mahasoa.tʿlyq 4 Тынышлықта Sin dal mattino Tan conmovida, oh alma Хатсан яс W potężnych rękach Pana mkẖlṣy కోరుకున్న రేవుకు నడిపించావా KILVENG ZUNGZAL HNA ما أجمل ترنيمة
Song not available - connect to internet to try again?