Mamy ny fitianao, Ry Jehovah Tomponay! Foinao ny Zanakao, Ho Mpanavotra anay. Tsy mba misy tokinay Afatsy ny Zanakao. Ka misaotra Anao izahay Noho ny fitianao. Mamy ny fitianao, Mahafaly fo tokoa; Izahay avelanao Mba hibebaka avokoa. Lasa lavitra izahay, Nefa notadiavinao; Efa ratsy izahay, Nefa tsy nafoinao. Mamy ny fitianao, Izay andraisanao anay HOnina ao an-dapanao Raha ho faty izahay Noho ny rastsy izay natao, Loza no anjaranay, Nefa namboaranao Paradisa izahay. Mamy re, ry Tomponay! Izao fitianao izao, Ka indreto izahay Avy mba hisaotra Anao. Raiso re izao saotra izao, Fa fanati-tsitrapo; Tsy mba mendrika ho Anao, Nefa vokatry ny fo.Ya Rab işit duamı Яви Свою славу Te caut Doamne pentru că ești Dumnezeul meu Un merveilleux Saveur est Christ mon Seigneur Na Golgote stíš sa, stíš! بۇكىل الەمنىڭ يەسى 주님 당신은 사랑의 빛 Wędrujemy raźno w ojczyznę swą Худаниң бәхти саңа яр болсун! Всё от Него и Им сотворено
Song not available - connect to internet to try again?