Manan-jara, ry Jesosy, Ny mpanomponao, Izay natokanao hitondra Ny Anaranao : Nofidinao ho mpitory Ny fitiavanao, Nitokianao ho mpamory Ny vahoakanao. Izao no zara fanompoako Voatendrinao, Ka ny mafy tsy ahoako Hahefako izao ; Tsy handosi-pahoriana Ny mpiasanao, Fa ny hazo fijaliana Lova taminao. Na ho voky na ho noana Ny mpanomponao, Tsy handao ny fanompoana Nametrahanao ; Sitrakao ny fihafiana, Ka mba tiako koa ; Zakanao ny tsy fisiana, Ka zakaiko koa. Tsy ahiko ny handany, Holanina koa, Fa famoizan-tsoa no hany Ahefany soa ; Na ny saiko, na ny aiko, Andro, vola koa, Tsy mba misy holalaiko, Foiko avokoa. Nefa raha izaho irery Tsy mahefa izao, Ka mangataka ny hery Eo an-tananao, Aoka ho feno ny Fanahy Ny mpanomponao, Mba ho tena lehilahy* Voahosotrao.. *) na : « vehivavy »Jesus Christ in me Blíži sa ráno Барысын да син биргәнсең Oui, tu es digne Życie ziemskie pełne jest trosk Саядан бир кузу айрълдъ C'è la gioia in Gesù Тыныштықта сездім Құдайым, жүрегіме сөйлегеніңді Живея Oh Varón de dolores
Song not available - connect to internet to try again?