(Manaraka ny famakian-teny voalohany) Ry Jeso, Tompo velona, Mpiandry sy Mpamelona Ny Fiangona-masinao, Atreho izahay izao ! Indreo (Inty*) mpanomponao vaovao Atokanay, ka raisonao Hanao ny raharahanao, Hamahana ny ondrinao. (Manaraka ny faharoa) Ny tany no nakana anay, Mihelina ny andronay, Ka vetivety izahay Dia hody vovoka indray. Ry Jeso ô, Mpitia anay, Izay Mpanjaka hatrizay, Endrey ny voninahitrao, Manerana ny lapanao. Ny deranao hasandratra Hitohy tsy hitsahatra ; Hazava toy ny kintana Ny tsara fanompoana. (Manaraka ny fahatelo) Mba raison y mpanomponao, Ka aoka hamboarinao Ho mpanambara mankatò Ny hafatrao, ry Tompo ô ! Omeo Afo Masina Sy vava mampionona ; Ny sainao sy ny feonao Omeo ny mpanomponao. (Manaraka ny fahefatra) Raha misy tafio-drivotra, Tohano tsy hatahotra, Hahery sy hisakana Ny rafim-piangonana. Ka mba ampirisihonao Hanaraka ny dianao : Tantano raha mbola atý, Handresy ka ho tonga arý. (Manaraka ny ordinasiona) Ka mba ampirisihonao Fa kely ny finoany ; Ny ranao masina anie Hanafaka ny helony ! Ampio mba haharitra, Raha mbola atý an-efitra ; Raha avy ny hodianay, Mba hazavao ny làlanay ! Raha tonga ny harivany, Ka ao ny ady farany, Dia raiso ny mpanomponao Hiala sasatra Aminao ! *) Inty, raha olona iray no atokanaEy Yaratan ey Işık yardımım Sensin yạ rb ạ̹lh ạljnwd mn mtẖlk qwy Vnímať Pánovu lásku Он искупил меня Xudo Sevgi tʿlyq 1 Дай Исусу все Ya Tuhanku, Kasihanilah Daku Do widzenia w onym lepszym kraju Andrò avanti
Song not available - connect to internet to try again?