Manatòna ry mpanota Ory, jamba, very koa ! Hianao simban'ny ota, Indro, ao ny Tompo soa Ry tsy mendrika hovonjena, Misy izay miantra anao ; Fifaliam-be homena, Famelana helokao. Mba henoy ny teny tsara Izay lazaina aminao, Sao very ny anjara Soa tadiavinao ; Feno antra, manan-kery, Jeso no mitaona anao, Ka ny mino tsy ho very, Manatòna re izao. Ny miato tsy mba tsara, Ny halainanao ario ; Sao helohin'ny Mpitsara, Manatòna re anio ; He ! miandry ny Mpamonjy, Mba faingana hianao ; Raha te ho voavonjy, Aza ela hianao.يدك المثقوبة Байн гинә зөөртә My do ojczystych śpieszym stron Neden sıkıldın, yavrum Track 6 N-are nimeni ocrotire Pan dobry jest مرار البعد كۅكتۅن كەلىپ، ال قولۇن بەردى Төгілген көктен махаббатың..
Song not available - connect to internet to try again?