Manatona Anao izao, Ry Jeso, ny madinikao, Ampandrosoy ny dianay, Fa ta-hahita Anao izahay. Hidera ny Anaranao No zava-tianay hatao ; Miravoravo izahay Fa teraka ny Tomponay Ny lanitra nilaozanao, Hanavotra ny olonao, Ho zanak'Andriamanitra Hifaly ao an-danitra. Tsy takatray heverina Ny fitiavan-dalina, Izay nitiavanao anay, Ka dia misaotra Anao izahay. Tariho, Tompo, izahay, Ambinonao ny dianay, Fa samy ta-handray Anao Izahay mivory eto izao. O, ry Sakaiza maminay, Mba te-ho olonao izahay Hipetraka eo anilanao, Fa mamy ny fitianao. Raha manana Anao izahay, Tsy hisy hatahoranay, Fa zaza voamarikao Ho isan'ny arovanao. Raha ao an-danitra vaovao, Izahay sy ny anjelinao Hisaotra sy hidera Anao Hanatrika ny tavanao.ạ̉nạ frḥạn تەڭىرىم مەنىن جانىمدا Энэ бүхэнд Самовий тахтини қолдириб bldy yạ rby Aw Ka Hun Ngai Hi КОЛКО СКЪП Е ТОЗ ПРИЯТЕЛ Storia da vivere Let Everything That has Breath మనసున్న మంచిదేవా
Song not available - connect to internet to try again?