Manatòna ry mpanota Ory, jamba, very koa ! Hianao simban'ny ota, Indro, ao ny Tompo soa Ry tsy mendrika hovonjena, Misy izay miantra anao ; Fifaliam-be homena, Famelana helokao. Mba henoy ny teny tsara Izay lazaina aminao, Sao very ny anjara Soa tadiavinao ; Feno antra, manan-kery, Jeso no mitaona anao, Ka ny mino tsy ho very, Manatòna re izao. Ny miato tsy mba tsara, Ny halainanao ario ; Sao helohin'ny Mpitsara, Manatòna re anio ; He ! miandry ny Mpamonjy, Mba faingana hianao ; Raha te ho voavonjy, Aza ela hianao.На рассвете любви عايش بيك Сотворение мира Слухай, Ізраэлю! దివ్యాత్మ దిగిరమ్ము Przyjdźmy pokłońmy przed nim się Stupenda Grazia Гори во мне იესო მხსნელი ხარ, Gene sana dönüyom ben, Babam
Song not available - connect to internet to try again?