Mandrosoa, ry mpanarato, Aza ketraka izao ! Mandrosoa tsy miato, Jeso re no herinao ; Ka ny jentilisa maro, Havana sy tapaka, Mba toroy, ampahafantaro An'Ilay Mpanafaka ! Mandrosoa, ry mpanarato, Miezaha fatratra, Ka na iza hisahato, Aza mba matahotra, Notolorana adidy Hianao ka miasà ! Na ho mamy na mangidy, Aza fay na mba handà ! Mandrosoa, ry mpanarato, Ao an-drano lalina ! Misy ve hitora-bato ? Anehoy fitiavana ! Raha kivy ny mpanota Noho ny haratsiny, Ento any Gologota Amin'ny Mpamonjiny. Mandrosoa re no baiko Izay mifehy ahy izao, Ka ny tena sy ny aiko Raiso, Tompo, ho Anao ! He, afoiko manontolo Izay ananako izao Koa raisonao daholo Mba ho voninahitrao !مش ممكن يرتاح - ساتر Sachez que l'Eternel est Dieu Dziś rozrywa Bóg kajdany مەنىن ەڭ اسىل ماقساتىم Du hast mein Klagelied verwandelt Jako ptáče Yeni bir Ezgi Eccomi Signore ạlrb ly rạʿiⁿ Anjel Gabriel
Song not available - connect to internet to try again?