Mandrosoa, ry mpanarato, Aza ketraka izao ! Mandrosoa tsy miato, Jeso re no herinao ; Ka ny jentilisa maro, Havana sy tapaka, Mba toroy, ampahafantaro An'Ilay Mpanafaka ! Mandrosoa, ry mpanarato, Miezaha fatratra, Ka na iza hisahato, Aza mba matahotra, Notolorana adidy Hianao ka miasà ! Na ho mamy na mangidy, Aza fay na mba handà ! Mandrosoa, ry mpanarato, Ao an-drano lalina ! Misy ve hitora-bato ? Anehoy fitiavana ! Raha kivy ny mpanota Noho ny haratsiny, Ento any Gologota Amin'ny Mpamonjiny. Mandrosoa re no baiko Izay mifehy ahy izao, Ka ny tena sy ny aiko Raiso, Tompo, ho Anao ! He, afoiko manontolo Izay ananako izao Koa raisonao daholo Mba ho voninahitrao !Hoy es tiempo de compartir He is able Величая Те Пригадаю той день коли в муках важких на Голгофі Тэр өндөр оргил Dünyada dadmadığım bənzərsiz sevgi verdin NUNNAK RAWL KA PE TUAH Rab'bin Ordusu Өмүр берет Сенин каның ạ̹lyk qlby
Song not available - connect to internet to try again?