(Maintimolaly) Manenoa, ry farara ! Horohoroy, ry tany ! Ka miantsoa ny maty, Fa akaiky ny Mpitsara; // Indro ! Kristy // Avy amin-drahona ! Ny feony no hampifoha Ny any am-pasana ; Ny teniny no hamory Ny velona rehetra ; // Samy handray // Ny valin'ny nataony. Ny tsy mino hilazany : "Mialà voaozona, Mandehana, mitoera Ao amin'ny maizina" // Ry mpanota // Any ny anjaranao. Fa ny mino hilazany : "Avia, notahina, Mandrosoa, mankanesa Ho amin'ny mazava" // Io, ry mpino // Indro ! ny anjaranao.Една песен ще пея Ответь себе Pronto el Señor en las nubes Агнец Божий Мен сага арнаймын Кудайдын сүйүүсүн Domů jdu Церковь Божья поднимайся Жатвенная Pójdę za Jezusem Lève les yeux vers Christ
Song not available - connect to internet to try again?