(Maintimolaly) Manenoa, ry farara ! Horohoroy, ry tany ! Ka miantsoa ny maty, Fa akaiky ny Mpitsara; // Indro ! Kristy // Avy amin-drahona ! Ny feony no hampifoha Ny any am-pasana ; Ny teniny no hamory Ny velona rehetra ; // Samy handray // Ny valin'ny nataony. Ny tsy mino hilazany : "Mialà voaozona, Mandehana, mitoera Ao amin'ny maizina" // Ry mpanota // Any ny anjaranao. Fa ny mino hilazany : "Avia, notahina, Mandrosoa, mankanesa Ho amin'ny mazava" // Io, ry mpino // Indro ! ny anjaranao.พระเจ้าดีต่อฉัน వినరే యో నరులారా-వీనుల Men koʻraman Wiesz ty, ile gwiazdek świeci امكث معي يا سيدي ميلادك أحلى يوم Одиночество zài dòng dàng bù ān de nián dài lǐ La miezul noptii va veni Hay poder, poder
Song not available - connect to internet to try again?