Maniry izahay Ho any aminao, Jerosalema tanànanay, Tanàna masina ; Ny trano lay atý, Tsy maintsy rovitra, Kanefa tazanay erý Ilay tsara lavitra ; Tazanay, tazanay Ny tany masina. Mba tanterahonao, Ry Tompo tia anay ! Ny fikasan'ny Zanakao Nataony taminay ; « Ho any amiko Izay nomenao Ahy, Fa tiako ho hitany Ny voninahitrao » Tazanay, ..sns. Mankany aminao Izao ny dianay, Na sarotra ny làlana, Mihira izahay ; Ny hasasaranay. Tsy misy intsony izao, Fa tazanay sahady re, Ny tany masina : Tazanay, ..sns.Ўзбекистоним Через крест к душе живой Alleluia, Gesù vive Ту Худои ман, майлам сӯи Туст Allah Muna Yabon Sunanka เรามาเพื่อร้องเพลงนมัสการ Alles bist du mir, Herr Hər şeyi Rəbbə verirəm Ya Tuhan, Pada Hari Ini نفسي اقربي
Song not available - connect to internet to try again?