Masoko manganohano, Nitomany feno rano Noho ny helok'efa vita, Dia mitony raha nahita Masonao be fiantra Ry Mpamonjy ny mahantra O Voavotrao 'lay very Ry fitiavana mahery. Tanako mangadihady Nisarangotra nitady Fanavotana sy Vonjy F'efa resy ka nilonjy. Dia noraisinao ry Tompo Na dia tànana maloto O voavotrao 'lay very Ry Fitiavana mahery. Foko tena fahavalo Nefa resy ka mimalo Raha nifona fa naditra Hitanao nipitrapitra. Babo ka tsy afaka ho aiza 'Zay noraisinao ho sakaiza O voavotrao 'lay very Ry Fitiavana mahery.Бир ан ичин хатърла dạymaⁿạ btkẖbyny La croix reste debout Grande Dari V Track 09 Eespäin, Herran kansa కలువరిగిరిలో సిలువధారియై bʿyn mtḥnnẗ Passo dopo passo rby byʿlmny ạ̉qrạ̉
Song not available - connect to internet to try again?