Maty malala, ka ory ny fo ; Lasa ny tiana, ka mafy manjo ; Nefa isika tsy mba mamoy, Fa manantena hihaona indray : Ao aminao Tompo ! izy izao, Tsy mba marary na misy manjo ; Nentina any ambony madio, Dia ho sambatra mandrakizay. Mba notandremana fatratra koa, Nefa tsy tana, fa lasa izao ; Eny, ry Tompo ! ekena tokoa Izay sitrakao, fa izany no soa : Ao aminao ..sns. Fantatra koa fa isika izao Samy vahiny ka hody indray ; Indro ! ny namana lasa izao, Lasa miandry antsika arý : Ao aminao ..sns. Ary isika, raha hiala atý, Dia hotsenain'ireo havan- tsy foy Eny, hihaona mifaly indray Ka tsy hisaraka mandrakizay Ao aminao ..sns.Cikin Sunan Ubangiji Я растаю в Твоём имени Иисус Je suis à toi Вижте Слънцето CACC HMUITINH Radujte sa, ó kresťania! Полинути в Небо ạ̹nny rby rḍạk yé sū ài zhe wǒ Гьоклерде Даха Гьоклерде
Song not available - connect to internet to try again?