« Mba avelao ny zaza Hanatona Ahy re, Fa an'ny toa azy Ny fanjakan'ny Ray ! » Izany teny tsara No ifalianay, Ka dia tsy rarana Ny zazakelinay. Ao amin'ny batisa Trotroiny izahay, Ka tena voaisa Ho zanany indray, Atsangany handova Ny fahasambarana, Fainan-tsy miova Sy fiadanana. Sakaizanay malaza Ry Jeso, Hianao, Finaritra ny zaza Miankina Aminao. Ampio, ry Mpamonjy, Ny ondrikelinao, Ho tonga voavonjy Ao anatrehanao.Bir Kurtarıcı Doğdu Ağarmış tarlalar dənizə bənzəyir Раббим бени танъйор Seni Yücelteceğim Hladový Добрая весть Stojím pred Tebou Ježíši, já mám tě rád Сен Бени Сечтин И птицы будут петь хвалу
Song not available - connect to internet to try again?