Mba faingàna re, ry mino, Aza mba tamana atý ; Ary aza manadino Ny anjaranao arý. Ny Mpamonjy anao No manangana faneva, Ary mampihevaheva Azy eo alohanao. Marobe no mba mitady Ny fiainana vaovao, Nefa kosa tsy miady Amin'izao tontolo izao. Ny Mpamonjy anao, ..sns. Koa raiso ny ampinga, Tano re ny sabatrao, Fa izany mahakinga Ny mpandeha toa anao. Ny Mpamonjy anao, ..sns. He, akaiky anao Kanana, Tany hovantaninao ; Ary any hy tanàna Misy ny anjaranao. Ny Mpamonjy anao, ..sns.Аав аа Таныг би биширнэ Haçta Kurtarıcın seslendi 今日的教会要警醒 Hättest du Glauben so groß nur wie ein Senfkorn trạk 19 tạ̉ml 1 صوته الحلو ىشەنەم بەكەم تەڭىرىمە عارفك طيب lmjdk ạḥfẓ
Song not available - connect to internet to try again?