Mba hevero, ry mpanota ! Ny nataon'ny Tomponao : Izy tsy mba manana ota Nefa tonga solonao ; He ! ny lanitra nafoiny Mba hidinany tatý Olom-bery no antsoiny Mba handova ny arý. Mba hevero, ry mpanota ! Fa nijaly Jeso tia, Maty tany Gologota Mba hamory ny mania, Indro, latsa-dra ny Tompo Nefa tsy mba diso re ! Fa nisolo ny mpanompo Izay nanohitra elabe. Mba hevero, ry mpanota ! Alatsaho ao am-po ; Mahavery re ny ota Raha tsy voadio ny fo, Mangataha ankehitriny, Dia hodiovin'i Jeso, Fa izany no iriny Mba handraisanao ny soa. Mba hevero, ry mpanota ! Ny fifonana aminao Hahafoizanao ny ota Tena fahavalonao. Manatòna hovonjena Sao hiharan-doza be ! Manatòna, fa homena Fifalian-dehibe. Mba hevero, ry mpanota ! Inona ary no hatao ? Aza mety resin'ota, Tiavo Jeso Tomponao ; Ny lalàny no araho Sitrapony tontosay ; Nefa Izy angataho Homba anao mandrakizay.وساننا Ким мен? ruò bù shì shèng líng de yǐn dǎo Ешуа ТИ СИ ВСЕМОГЪЩ من خوفك علي Идите все на пир Исо мадинам (T) tʿạl dlwqty ḥạlạaⁿ Обичам да оттеглям аз
Song not available - connect to internet to try again?