Mba hevero, ry mpanota ! Ny nataon'ny Tomponao : Izy tsy mba manana ota Nefa tonga solonao ; He ! ny lanitra nafoiny Mba hidinany tatý Olom-bery no antsoiny Mba handova ny arý. Mba hevero, ry mpanota ! Fa nijaly Jeso tia, Maty tany Gologota Mba hamory ny mania, Indro, latsa-dra ny Tompo Nefa tsy mba diso re ! Fa nisolo ny mpanompo Izay nanohitra elabe. Mba hevero, ry mpanota ! Alatsaho ao am-po ; Mahavery re ny ota Raha tsy voadio ny fo, Mangataha ankehitriny, Dia hodiovin'i Jeso, Fa izany no iriny Mba handraisanao ny soa. Mba hevero, ry mpanota ! Ny fifonana aminao Hahafoizanao ny ota Tena fahavalonao. Manatòna hovonjena Sao hiharan-doza be ! Manatòna, fa homena Fifalian-dehibe. Mba hevero, ry mpanota ! Inona ary no hatao ? Aza mety resin'ota, Tiavo Jeso Tomponao ; Ny lalàny no araho Sitrapony tontosay ; Nefa Izy angataho Homba anao mandrakizay.kẖjlạn mnk Ka Pa'n Ei He Tai Тэр өдөр Их Эзэний Me gozaré y alegraré, y cantaré يا نفسي دوماً فكري ความรักมั่นคง Zarándokének О ГосподьТы всего дороже أنا باسبح ربي يسوع موسيقى
Song not available - connect to internet to try again?