Mba jereo ny Zanakondry Voahombo sady ory, Nefa Tompo masina. He ! ny Rainay tsy namaly, Raha ny Zanany nijaly Tamim-panaintainana. He ! ny Marina nijaly ! Mba hahaizako mifaly, Izay no niaretany. O ! ry foko, mangovita, Manatòna mba hahita Ny fahafatesany ! Eny, ry Mpamonjy tsara Mba meteza hanambara Ny harem-pitiavanao ; Dia hafanao ny foko. Mba hahaizako hanompo Sy hanaraka Anao ! Aoka aho hitomany, Raha mihevitra izany Fahoriana nentinao. Azoko ny famonjena ; O ! ry foko, manenena Noho ny ratsy vitanao ! Tompo, manampia ahy, Mba harisika am-panahy, Hanompoako Anao Raha mbola atý an-tany Aza afoy fa mba tohany Tsy hisaraka aminao !Голготада Рəбб дүнјанын ҝүнаһын Հիսուսն է Կյանքը Ու Ճանապարհը Приходи في ظل جناحيك lmạ ạlrb yswʿ ạ̹dạnạ Гьоксел Бабам Вар Гюзел Диярда یا رَب دْژمْنِن مْن پْر بوون Oh cruz, sangrienta cruz Sən Rəbbimsən قۇتقارۋشىم، عاجاپسىڭ
Song not available - connect to internet to try again?