Mba jereo ny Zanakondry Voahombo sady ory, Nefa Tompo masina. He ! ny Rainay tsy namaly, Raha ny Zanany nijaly Tamim-panaintainana. He ! ny Marina nijaly ! Mba hahaizako mifaly, Izay no niaretany. O ! ry foko, mangovita, Manatòna mba hahita Ny fahafatesany ! Eny, ry Mpamonjy tsara Mba meteza hanambara Ny harem-pitiavanao ; Dia hafanao ny foko. Mba hahaizako hanompo Sy hanaraka Anao ! Aoka aho hitomany, Raha mihevitra izany Fahoriana nentinao. Azoko ny famonjena ; O ! ry foko, manenena Noho ny ratsy vitanao ! Tompo, manampia ahy, Mba harisika am-panahy, Hanompoako Anao Raha mbola atý an-tany Aza afoy fa mba tohany Tsy hisaraka aminao !O, wzywaj Mię Gyönyörű, szép este Bütün Yüreğinle Tanrı'ya Güven راحمەت ساعان قۇداي اكە مخلصي Ʋba A̱ki a̱ kana ma Oro e vernice (tramonti a San Martino) Všade tam kde sú myn yqdr yqwl Keď na svete máme žiť
Song not available - connect to internet to try again?