Mba mifohaza re, henoy izao Ny hafatra ataon'ny Tomponao, Ny Tompo, izay Mpanjaka manan-kery Mikatsaka anao, ry olom-bery ! Dondòniny ny fo, ka hianao Mandrindrina ny varavaranao ! Tandremo sao dia sasatra ny fony, Sao lasa Izy ka tsy avy intsony. Fa indro Izy mbola atý izao Mitady hampiverina anao Ka aza lavina ny Tompo tsara, Sao hianao ho ratsy fiafara. Faingàna ary, ka ampandrosoy Ilay Sakaiza Izay nahafoy Ny ainy hoanao mpanota very, Tsy misy Mpamonjy afa-tsy Izy irery Ifony aminy ny helokao, Hariany ka tsy ho hitanao, Ka hianao izay mendrika ho voa Hatsangany ho zana-dRay Tsitoha Ka raha renao ao anaty fo Ny fiadanana izay mahatò Ny famelana ny helokao rehetra Dia aoka mba handrasanao ny fetra. Akaiky re ny fahafahana, Ka mba zakao ny hatrotrahana, Ho avy faingana Jesosy Tompo Ka dia ho afaka ady ny Mpanompo. Rehefa hitanao ny Tomponao Dia afaka ny hasasaranao, Hijanona ny sento sy taraina Fa hobin-danitra no hohiraina.Пара Пул أنا غريب وتايه Ao an-dapany, Jesosy أنا لك ابن Viera, nádej, láska Jesteś Królem أنا اللي دايما باتنسي خد مني روح اليائس СУРУДИ МУСО Dieu tu es grand
Song not available - connect to internet to try again?