Mba omeo ahy Fo madio kokoa Afaka ahiahy Ho Anao tokoa Izaho dia malaina O ! Mba hafanao re, Mba hikely aina Hahefako be. Mbola manangoly Ny fakampanahy ; Ao koa ny devoly Ta-hamotraka ahy ; Tompo ô ! ampio Ny mpanomponao izao, Ary mba tafio Herim-po vaovao. Atolory ahy Zotom-po sy hery, Fahendrem-panahy, Fo mahay mietry. Ampianaro aho Mba hanolo-tena, Ka mba hatanjaho Ny finoako. Dia hamasino Ny saiko, ry Tompo ! Ka omeo fo mino, Fo mahay manompo, Fo mahay mihafy, Fo miravoravo, Na dia voa mafy, Fo toy ny Anao.Wie schön dieser Name ist Дүнја үчүн ҝөндəрди Сəни Ҝөјлəрдəн Ата ساكن حصنك Полнота Comme une colombe كل سنة وأنا خدامك Ada Kota Yang Indah Cerah พระสถิตกับเรา Едва едва в степи проснулось утро Succeda quel che succeda
Song not available - connect to internet to try again?