Mba tahio, Jeso ô ! Hira, hatakay sy teny ; Mba tarihonao ny fo Hanarahanay ireny ; Hianao no Tompon'aina, Sady mendri-koderaina. Izahay mpanomponao Hody ao an-tokantrano, Faly manana Anao, Ka vimbino sy tantano ; Aza avela ho irery, Izahay, fandrao ho very. Saotra no atolotray, Raha mbola atý an-tany ; Ao an-danitra indray Dia dera tsy ho lany No hatao sy hohiraina Ho Anao ry Tompon'aina.ДОКОСВАНЕ Отец наш Tebe, Boha, chválíme Ол бар жерге يا سيدي المصلوب Čo môžem Pane vykonať? АЛЕЛУЯ La Familia Cristiana Trăiasca Domnul slăvit sa fie El Lode a Dio
Song not available - connect to internet to try again?