Mba tahionao, ry Jehovah ! Ny tanindrazanay, Ho tsara sy hiova ; Hambininao anie ! Ho tany izay mandroso Sy sambatra tokoa, Ka hanjakan'i Jeso Mpamonjy Tompo soa. Mba tahio ny firenena Izay monina eto izao, Handroso hihatsara, Hatahotra Anao, Handao ny fomba ratsy Izay manadala re ; Hanary koa ny sampy Mampidi-doza è ! Mba tahionao ny mpitondra Nampanapahinao, Arovy isan'andro Mba tsy handà Anao, Tariho lalandava Hiankina aminao, Omeo fahendrena Hanao ny sitrakao. Mba tahio koa, ry Jehovah ! Ny fiangonanao Handroso lalandava Homban'ny heerinao. Hanerana ny tany Itoeranay izao, Ka isam-bazantany Hiondrika aminao.Я Друга дивного познал и есть ли в мире равный قۇدىرەتتى يەمىزدىڭ Я славлю Творца на земле Sevinclə səcdə edirik مواعيدي ليك Come Let Us Go Up to Zion yạ sydy̱ ạlgẖạly انىق سەنەمىن، مەنىڭ يسام Otče, ráč nás požehnávať Ákemiz - Qudaı, Táńirim - Isa
Song not available - connect to internet to try again?