Miambena izao, Ry fanahiko ! Misy rafinao misaina Hanangoly ny malaina ; Be ny fandrika Voavelatra. Miambena izao, Ry fanahiko ! Mba tsy ho andevon'ota, Na hotaomin'ny mpanota ; Mivavaha izao, Ry fanahiko ! Miambena izao, Ry fanahiko ! Ka tohero ny devoly, Raha avy manangoly ; Kristy raisonao Mba ho aronao. Miambena izao, Ry fanahiko ! Tsy ho ela tsy akory Dia ho lasa ny mahory, Ka ho afaka Ny mpiambina. Miambena izao, Ry fanahiko ! Fa ho avy indray ny Tompo Mba hampody ny mpanompo Ho finaritra Ao an-danitra.我要时时称颂耶和华 Ўзбекистонда тинчлиг Keby som nemal Teba Cantiamo al Signore Cristo yo te busco a ti Тук имам работа една الليل هنا ليل ამიხილე გულის თვალები Ти є дорога Svatý
Song not available - connect to internet to try again?