Miandry ao ambony Ny fifaliana ; Atý tsy mety tony Ny fahoriana, Ka tonga sesilany Ny fitarainana ; Arý tsy hita lany Ny hasambarana. Variana mikoràna Ny tsy misaina be, Ny hendry dia mitana Ny hevitra hoe : Aleoko mitomany Noho ny otako ; Ny lanitra ihany No fianinako. Ny lalan'ny adala Tsy mba harahiko, Tsy mampisalasala Izay anjarako ; Ny sasany mikendry Ho afa-po atý, Izaho dia miandry Ny lovako arý. Izaho manantena Anao, ry Tompo ô ! Ka hobim-pamonjena No hoventesiko ; He, vetivety ihany No hiaretako, Tsy ela dia hankany An-tanindrazako.Czas radości, wesołości Jehovah tsy mba manadino Solo Tu ạ̹n trky kl mạly Tisíc tváří باركوه Чəтин анымда ҝəлдин Что ждет меня не знаю Санадър Бютюн ЬОвгюлерим Jasaj, jasaj, Kristus vo vás
Song not available - connect to internet to try again?