Miantra ny firenena, Ry Jesosy Tomponay ! Ambarao ny famonjena Izay nataonao fahizay ; Asehoinao ny hery Namonjena marobe ; // Ry Mpamonjy olom-bery ! Mamonje indray anie // Mba heveronao ry Nosy Itoeranay izao ; Iantraonao, ry Jesosy, Ny tsy mahalala Anao ; Iantrao ireo faritany Anjakan'ny aizim-be, // Mba ho tonga faingana any Ny mazava lehibe // Be ny tany tsy voasa, Vitsy ny mpanomponao ; Koa izahay mpiasa Ao an-tanimbolinao Mba omeo fo minia Hankato ny teninao, // Ka aoka mba hikely aina Izahay hiasa ao // Mankanesa, ry Mpitory ! Ao an-tany lavitra ao, Be tsy mahalala akory An'i Jeso Tomponao, He, ny fahantrany, indrisy ! He, ny hadalan'ny ao, // Fa ny olona tsy misy Hampianatra azy ao // Ny harena anomezo Sy ny fahendrena koa, Eny, Kristiana ! aelezo Izay rehetra mahasoa ; Mankanesa re izay tia Ny Mpamonjy lehibe ; // Miantrà ka manampia Ny mahantra marobe //يسوع يعمل منك Mübareksin trnymẗ jdydẗ أعظم إله وأعجب إله Najot poyezdiga oʻtirib جايلك xī yáng xī xià shí Zamanı Gelince He, Jehovah no Mpiandry ahy Хайр гэж юу вэ
Song not available - connect to internet to try again?