Miantra ny firenena, Ry Jesosy Tomponay ! Ambarao ny famonjena Izay nataonao fahizay ; Asehoinao ny hery Namonjena marobe ; // Ry Mpamonjy olom-bery ! Mamonje indray anie // Mba heveronao ry Nosy Itoeranay izao ; Iantraonao, ry Jesosy, Ny tsy mahalala Anao ; Iantrao ireo faritany Anjakan'ny aizim-be, // Mba ho tonga faingana any Ny mazava lehibe // Be ny tany tsy voasa, Vitsy ny mpanomponao ; Koa izahay mpiasa Ao an-tanimbolinao Mba omeo fo minia Hankato ny teninao, // Ka aoka mba hikely aina Izahay hiasa ao // Mankanesa, ry Mpitory ! Ao an-tany lavitra ao, Be tsy mahalala akory An'i Jeso Tomponao, He, ny fahantrany, indrisy ! He, ny hadalan'ny ao, // Fa ny olona tsy misy Hampianatra azy ao // Ny harena anomezo Sy ny fahendrena koa, Eny, Kristiana ! aelezo Izay rehetra mahasoa ; Mankanesa re izay tia Ny Mpamonjy lehibe ; // Miantrà ka manampia Ny mahantra marobe //حبيبي حلو Ny fahasoavan'i Jesosy Kristy سر الكون Boh je tak blízko nás Insieme Мисирдəн Чыхыш Рәбләрниң Рәббигә алқиш مواعيدي ليك Veríme srdečne Что за друга мы имеем
Song not available - connect to internet to try again?