Midera anao izahay, Andriamanitra ô, Manaiky anao ho Tompo izahay; Ny tany rehetra dia mitsaoka Anao, Rain'ny mandrakizay. Midera Anao ny anjely rehetra Ny lanitra sy ny mahery rehetra ao aminy Midera Anao, lalandava Ny Kerobima sy ny Serafima manao hoe: Masina, masina, masina, Andriamanitra, Tompon'ny maro Manerana ny lanitra sy ny tany Ny fiandrianan'ny voninahitrao. Midera Anao, Ny apostoly rehetra, Midera Anao, Ny mpaminany rehetra. Midera Anao, Ny maritiora rehetra. Ny fiangonana eran'izao tontoloizao Manaiky Anao. Ho Ray manam-piandrianana tsy hitafetra, Sy ny Zanakao-lahy tokana be voninahitra Ary ny FanahyMasina, Mpampionona ny fo. Hianao no Mpanjakan'ny voninahitra, Ry Jeso Kristy ô, Hianao no Zanaky ny Ray, Zanany mandrakizay, Raha nanalo-tena hamonjy ny olona Hianao, Dia tsy nolavinao ny hateraky ny virijina Rahefa nandresy ny herin'ny fahafatesana Hianao Dia novohanao ny fanjakan'ny lanitra mba hidiran'ny mino rehetra Mipetraka ao an-tanana an kavanan'Andriamanitra Hianao, Ao amin'ny voninahitry ny Ray. Mino izahay fa ho avy Hianao Ho Mpitsara anay. Izany no ifonanay aminao hanampy anay mpanomponao, lzay navotanao tamin'ny ranao soa indrindra. Ataovy ho isan'ny olo-nao 'zahay Any amin'ny voninahitra mandrakizay. Tompo ô,vonjeo ny olonao, Ary tahio ny lovanao. Manapaha azy, Ary asandrato ho ambony mandrakizay Isan'andro isan'andro Dia mankalaza Anao 'zahay, Ary mihoby ny Anaranao Izahay mandrakizay. Mba miarova anay, Tompo ô, Tsy hanota izao anio izao, Mamindrà fo aminay, Tompo ô, Mamindrà fo aminay. Tompo ô, aoka ho tonga aminay ny famindramponao Araka izay itokianay Anao. Tompo ô, Hianao, no itokiako, Aoka tsy ho menatra aho mandrakizayدي كلمة منك Мы приняли веру в Иисуса Христа Track 13 Прими хвалу كۅرچۉ، قانداي دوسۇبۇز بار Dankie WHEN THE ROLL IS CALLED UP YONDER Эй Худованд Вы не поверите Lacrimile de durere
Song not available - connect to internet to try again?