Midera Anao ny olo-masina Noho ny fandresena nomenao ; Ry Jeso ô ! Mpitari-dalana ! Haleloia ! Haleloia ! Ory sy lao, fadiranovana, Natao ho zava-tsinontsinona Nefa ireo no tsy nivadi-po ; Haleloia ! Haleloia ! Mafy ny ady aman-tafika, Izay nihatra tao an-dalana, Fa Hianao no nitokiany ; Haleloia ! Haleloia ! Indro ! mpandresy no idirany Ao afovoan'ny ao an-danitra, Handray ny satro-boninahitra ; Haleloia ! Haleloia ! « Mpanompo tsara sady mahasoa, Midira am-pifalian'ny Tomponao » He, sambatra izy, fa efa voaray ; Haleloia ! Haleloia ! Aoka ireo no hotahafinay Amin'ny ady iadiana, Hiraisam-boninahitra aminy : Haleloia ! Haleloia ! Ankehitrio, Anao ny fiderana, Ry Ray sy Zanaka, Fanahy koa Eran'ny tany aman-danitra : Haleloia ! Haleloia !Никто не может ничто не может لا لن أنساك mḥyyạ fạdy ạlmw̉mnyn Altyndan Gymmatly HARK! THE HERALD ANGEL SING Jesus er mektig og fører oss frem Благословението Хвала Господу Иисусу STANDING ON THE PROMISES Thief
Song not available - connect to internet to try again?