Midera Anao ny olo-masina Noho ny fandresena nomenao ; Ry Jeso ô ! Mpitari-dalana ! Haleloia ! Haleloia ! Ory sy lao, fadiranovana, Natao ho zava-tsinontsinona Nefa ireo no tsy nivadi-po ; Haleloia ! Haleloia ! Mafy ny ady aman-tafika, Izay nihatra tao an-dalana, Fa Hianao no nitokiany ; Haleloia ! Haleloia ! Indro ! mpandresy no idirany Ao afovoan'ny ao an-danitra, Handray ny satro-boninahitra ; Haleloia ! Haleloia ! « Mpanompo tsara sady mahasoa, Midira am-pifalian'ny Tomponao » He, sambatra izy, fa efa voaray ; Haleloia ! Haleloia ! Aoka ireo no hotahafinay Amin'ny ady iadiana, Hiraisam-boninahitra aminy : Haleloia ! Haleloia ! Ankehitrio, Anao ny fiderana, Ry Ray sy Zanaka, Fanahy koa Eran'ny tany aman-danitra : Haleloia ! Haleloia !Seigneur, tu es ma force فرحا تفرح نفسي Солнца последний уж луч догорал เพราะทรงสัญญา Lord You Said La nuit passe, le matin rbnạ mwjwd wmạykẖlfsẖ wʿwd Davanti al trono gǎn xiè zhǔ ēn guāng zhào عايز أحبك Свет от Твоей чистоты
Song not available - connect to internet to try again?