Midina, ry Fanahy ô ! Midira ao anaty fo, Ampio ny mihafy, Fa Hianao no Mpanome Ny to sy fahazavana be ; Ny vavanay sokafy Izao, hanao Saotra tsara, hanambara Ny Mpamonjy, Fa satria voavonjy. Ka raha re ny teninao, Dia mba avia, hazavao Ny hevitry ny teny ; Mba ambarao aminay Ny fomban'ny Mpanavotray, Lazao ny famonjeny, Izahay, izay Vory eto, andreheto Jiron'aina, Hialan'ny aizin-tsaina ! Ny maizina onenanay, Tsy mety afaka aminay, Ka tena mahavery, Raha Hianao tsy tonga izao Mitondra filazam-baovao Sy toky mampahery ; Ovay izahay, Hamasino ny te-hino Ampidiro Eto aminay ny jiro. Mba hafanao re izahay, Ampio hitiavanay Indrindra ny Mpamonjy, Ny rany mba ho avotray, Ny didiny harahinay, Hananay ny vonjy, Jeso, Jeso No torio sy bitsiho Ao an-tsainay, Mba hamelona ny ainay.Гюзеллер Гюзели Иса Месих Nu-i prieten lui Isus asemenea De nos montagnes fy ạ̉wl ạlṭryq باردىق ەلدەر، باردىق جاندار You Are So Good to Me HUZUR VAR RUHUMDA Baxıram dünyaya ,yoxdur sevinc orada Súı, súı Ó, Kriste, veľký Kráľu náš
Song not available - connect to internet to try again?