Midina, Tomponay ! Ampionao izahay Hidera Anao ; Ray soa tia anay, Hery sy Tanjakay, Izay hotompoinay Mandrakizay. Avia, Jeso ô ! Reseo ny rafinay Ho lovanao ; Arovy izahay Amin'ny herinao ; Ny fitarainanay Henoinao. Fanahy Masina ô ! Tariho izahay Hanaiky izao ; Mahery Hianao, Ny fonay anjakao, Aza ilaozanao Mpananatra ô ! Ry Telo izay Iray ! Dera mandrakizay Omena Anao ; Ny voninahitrao Aoka ho hitanay, Ka raisonao izahay, Ho Aminao.Кто с слезами сеет семя kẖdẖny llmdy̱ ạlbʿyd Ona güveniyom, umudum benim O Bul álemniń sheksiz bıiktiginde Hai vinto per me Chameleón أنا صابر ليك كل العمر fạkr sẖạwl Quwan quwan
Song not available - connect to internet to try again?