Miposaka indray ny masoandro, Ny ali-maizim-be dia tonga andro ; Ry foko, mba derao ny Ray Tsitoha, Ka dia andrandrao, Derao, ankalazao Ny Rainao soa. Ny loza marobe atý an-tany Dia niarovanao anay izany, Ka zava-mahafaly no omeny, Dia fiarovana Sy fitiavana Tsy hita lany. Ry Masoandronay, mba mitariha Ny dianay anio mba tsy hania ; Mahery Hianao ka maharara Ny fahavalonay Tsy hahataona anay Handà ny tsara. Ny zavatra manjo tsy mampanahy Napetraka aminao ny ahiahy, Ka dia matoky aho, ry Tsitoha ! Omeo ny zanakao Izay heverinao Ho mahasoa.I. Do śmierci z Biblią świętą Gesù credo in te Всё во всём (нет слов) nḥw gẖny̱ ạmjạdk 哈利路亞 Hriech ma tiaži ḥạjty dwmaⁿạ ạ̹lyk Тэнгэрт гийх од Nous venons devant le Seigneur glorieux 他是基督
Song not available - connect to internet to try again?