Misaotra Anao izahay izao, Jehovah Ray ! Fa efa notohizanao Ny andronay, Ka tonga atý an-tranonao Indray izahay. Misaotra Anao izahay izao, Ry Mpanome ! Ny soa avy Aminao Tsy lany re, Fa isan-andro misy izao Ka maro be. Misaotra Anao 'zahay izao, Ry Rainay soa ! Ny helokay navelanao Nefa iza moa No mahalaza izay natao ? Fa be tokoa. Misaotra Anao 'zahay izao, Ry mora fo ! Ny mafy tsy sakananao Fa mba hanjo, Fa be ny fanirianao Anay hadio. Misaotra Anao 'zahay izao, Ry Tomponay ! Ao aminao an-danitrao Honenanay, Fa misy fitsaharana ao Mandrakizay.На тысячах дорог هيا نصعد Mira el Infante puesto en un pesebre Qué sería de mí Tamin'ny andro voalohany Яке хонаашро сохт نحنا كنسية المستقبل Հիսուս, Դու Իմ Տերն ես Бир заманлар биз јабанҹы, бир заманлар хар идик Ponáhľaj sa rýchlo
Song not available - connect to internet to try again?