Misaotra Anao izahay izao, Jehovah Ray ! Fa efa notohizanao Ny andronay, Ka tonga atý an-tranonao Indray izahay. Misaotra Anao izahay izao, Ry Mpanome ! Ny soa avy Aminao Tsy lany re, Fa isan-andro misy izao Ka maro be. Misaotra Anao 'zahay izao, Ry Rainay soa ! Ny helokay navelanao Nefa iza moa No mahalaza izay natao ? Fa be tokoa. Misaotra Anao 'zahay izao, Ry mora fo ! Ny mafy tsy sakananao Fa mba hanjo, Fa be ny fanirianao Anay hadio. Misaotra Anao 'zahay izao, Ry Tomponay ! Ao aminao an-danitrao Honenanay, Fa misy fitsaharana ao Mandrakizay.Сонсуза Дек lạ ln ạ̉ry̱ ḥbaⁿ̃ạ Feu du fondeur يا ابن الله Gloria A Tu Nombre Por Doquier Наслаждаюсь Тобой Эълон, эълон АГАРУ ТЫН Lalpa Li'm a Bel ui !
Song not available - connect to internet to try again?